Ny soja sy ny vokatra azo avy aminy dia mahasolo ny hena sy ny karazan-tsakafo vita amin'ny lafarinina, ary tsy voatery hihinan-kena izay vao hihinana soja. Ankoatra ny soja dia maro ireo karazan-tsakafo azo hasolo ny hena. Azo fantarina ireo singa mahasoa sy hery azo tovozina amin'ireo sakafo ireo... Fandaharana " zava-misy" iarahana amin'i Rasamimanana Marc.
♦ Nanatanteraka ny fivoriambe ara-potoana faharoa ny Vaomeiran'ny Eveka misahana ny fampanjariana ny Fahamarinana sy ny Fiadanana, ny 15 hatramin'ny 18 ôktôbra 2024. Misy ny hafatra navoaka tamin'izany... ♦ Tanterahana ety amin'ny Maison Don Bosco Ivato ny “CIVAM Formations”, nanomboka ny 19 hatramin'ny 22 ôktôbra 2024... ♦ Nisaotra ireo olona maro taonga niara-nimbom-bavaka tamin'ny fanandratana ho olomasina ireo olontsambatra 14, ny Papa François omaly, talohan'ny vavaka Angelus...
Nandefa hafatra ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena sy ho an'ny vahoaka Malagasy, ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Fahamarinana sy ny Fiadanana, na Justice et Paix, tao aorian'ny fivoriambe faharoa natao ny tamin'ity taona 2024 ity, ny 15 hatramin'ny 18 ôktôbra 2024.
Alahady faha-29 mandavantaona - B : Ny fijaliana : Azo ampiasaina ho fanavontana ; Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao. Rehefa atolotra hosoro-pifonana ny fijaliana dia tonga ho famonjena, raha entina miverina amin'Andriamanitra ny fijaliana ary matoky azy dia mody hasambarana ireny. Ny fijaliana dia azo ampiasaina ho fanavontana, ary mitondra famonjena ho an'ny hafa sy ny olona maro. Toa an'i Kristy dia afaka mitondra famonjena ho an'ny hafa ihany koa isika na ao anaty fijaliana aza...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco