♦ Nitsodrano manokana ny vahoaka Malagasy ny Papa François, nandritra ny fanatanterahana ny dingana faharoa amin'ny Sinaodin'ny Eveka, tanterahana any Roma nanomboka ny 30 septambra ary hifarana ny 27 ôktôbra 2024... ♦ Miatrika fivoriambe fanao isan-taona eny amin'ny Masera Filles de la Sagesse Benasandratra, ny lehiben'ny fikambanan-drelijiozy lehilahy, eto Madagasikara... ♦ Lalivain'ny hafaliana sy ny fitiavan'ny mpivady, ny Fanahy Masina, hoy ny fampianaran'ny Papa François tamin'ny Audience générale, ny alarobia 23 ôktôbra 2024...
♦ Nitsodrano ny vahoaka Malagasy ny Papa François amin'izao famaranana ny Sinaodin'ny Eveka any Roma izao. Manazava ny momba ny famaranana ny Sinaody i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina... ♦ Telonjato monja ny isan'ireo vehivavy mirotsaka hofidiana ho Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina amin'ny 11 desambra 2024, araka ny antontan'isa nomen'ny CENI... ♦ Nitondra valin-teny fohy ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Malagasy, manoloana ny fampitam-baovao nataon'i Comores momba ny fanidiantsika ny sisin-tany...
Ny olom-banona dia olona tia filaminana, tia fihavanana, manana toetra tia fifanajàna. Na arahaba aza no atao amin'ireo olona heverina ho sahirana sy tsinotsinona ireny dia ampy hampiova ny sainy hivoatra. Ny safidy amin'ny fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolon-tsaina dia fototry ny rafitra izay afahana mampandroso ny firenena miainga amin'ny kaominina. Ny olom-pirenena izay miisa 13 tapitrisa no antoky ny fampandrosoana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Mizotra araka ny tokony ho izy ny iraka nataon'ny delegasion'ny CENI tatsy Afrika Atsimo, momba ny fanontana ireo antontan-taratasy hiatrehana ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy ny Mpanolotsaina... ♦ Natolotra ny Fitsarana teny Anosy androany ireo olona miisa 24, tra-tehaky ny zandary tamin'ny fanapohana solika tany Toamasina... ♦ Maherin'ny 90%-n'ny Malagasy no mbola mampiasa arina fandrehitra sy kitay ahandroana sakafo. Nampahafantarina amin'ny fomba ôfisialy androany ny fikambanana hamondronana ireo orinasa sy fikambanana misehatra amin'ny fampiroboroboana ny angovo madio...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco