Alahady faha-31 mandavantaona — B : ny didy ho antsika dia hoe: tiava ; raha misy tia ahy, hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny raiko; ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy. Rehefa tsy henoina ny fananarana, ny toro-hevitra sy ny fanitsiana mba hatsara ny fiainana dia tapaka ny fifandraisana. Tena mamaly ny fitarainan'ny olona mangataka aminy Andriamanitra, aleontsika anefa manary dia amin-javatra hafa. Ny lovam-panahy amin'ny Jody dia nahangona fitsipika 613 avy amin'ny lalàna ao amin'ny Baiboly ka 365 dia fandrarana ary ny 248 dia miresaka ireo azo atao ; fa voafintin'i Jesoa amin'ny hoe fitiavana izy rehetra, izay tia ny namany dia efa azo antoka fa tia Azy Tompo ihany koa...
♦ Notendren'ny Papa François androany ho Evekan'ny Diôsezin'i Farafangana, i Mgr Marcellin Randriamamonjy, Evekan'i Fenoarivo-Atsinanana. Izy no handimby an'i Mgr Gaetano Di Piero... ♦ Miantso fihaonana eo amin'ny mpitondra sy ny mpanohitra, ireo Ray aman-dreny ara-drazana eo anivon'ny ARFM, manoloana ny olana ara-tsôsialy ankehitriny. Nanao fanambarana teny Isoraka izy ireo androany... ♦ Efa tonga eny amin'ny Antenimieram-pirenena ny volavolan-dalana mifehy ny teti-bolam-panjakana 2025. Volavolan-dalana roa hafa no efa lany teny Tsimbazaza, ankoatra izay...
Notendren’ny Papa François ho Evekan’ny Diosezin’i Farafangana, androany 31 oktobra 2024, i Mgr Marcellin Randriamamonjy, Evekan’i Fenoarivo-Atsinanana. Izy izany no handimby an’i Mgr Gaetano Di Piero, izay nitondra ny Diosezin’i Farafangana nanomboka ny 3 marsa 2018 ka hatramin’izao. Teraka ny 12 aprily 1963 tao Sandrandahy, Diosezin’Ambositra, i Mgr Marcellin, ary tao ihany izy no nanomboka ny fanabeazana fototra.
Ny fifanajàna no fototra sy toetra maha olom-banona. Ny olom-pirenena manana zo hifidy dia manana fahefana hamaritra ny olona hitondra ny fireneny, ary izany no antoka hampandrosoana. Manana adidy ny hiaina ny fahamarinana ny olona rehetra, samia miezaka hiala amin'ny risoriso, ny fitiavantena sy ny toetra ratsy hafa ; ny mpanao gazety dia tompon'andraikitra amin'ny fitaizana, tokony hasongadina kokoa ny soa iombonana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco