14 mey 2024 — Masindahy Matiasy, Apôstôly — Fankalazana — Izaho no nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao, mba handehananareo sy hahavokaranareo ary haharetan’ny vokatrareo, hoy ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 9-17)

Mba hanomanana ny ho avy dia tokony halefa mianatra any an-tsekoly ny ankizy sy ny tanora raha mbola misy ny fahafahana, tombontsoa ho azy ireny izany sady ho an'ny fiaraha-monina sy ny firenena. Ho fanampiana ny fanabeazana any an-tsekoly dia tsara ny fampidirana ny ankizy na ny tanora amin'ireny karazana fikambanana fibeazana ireny, any dia misy fitsipika sy lalàna mahasoa. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.

13 mey 2024 — Alatsinainy, Herinandro fahafito Fankalazana ny Paka — Mandehana, mampianara ny firenena rehetra. Indro Aho eo aminareo ambara-pahatapitr’izao tontolo izao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 16, 29-33)

Ao an-tokantrano no sekoly voalohany ho an'ny ankizy, noho izany dia miainga ao anivon'ny fianakaviana ny fanabeazana. Fanabeazana miainga amin'ny fifampiresahana, amin'ny fanoroana ny ankizy mba handray andraikitra ary hifanakalo hevitra, ireny dia fomba hahaizan'ny tanora manao ny safidy sy miatrika ny vokatry ny safidiny. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...