12 ôktôbra 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahafito amby roapolo Mandavantaona — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 5-13)
Mitarika fibebahana ny fandraisan'ny rehetra anjara amin'ny fampiasana ny soa iombonana, manova ny lalam-pitondran-tenan'ny tsirairay sy ny fiaraha-monina manontolo. Miady ary mamongotra hatramin'ny fakany ny fitaka sy ny hafetsifetsena izay fahavalon'ny fiaraha-monina sy ny soa iombonana noho izy ireny tsy mifanaraka amin'ny rariny. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
11 ôktôbra 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahafito ampy roapolo Mandavantaona — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 1-4)
Raha tsy nipetraka sy tsy manaja ny toerana sy andraikitra tokony hosahaniny ny mpitondra Fanjakana, izany hoe mihoatra ny faritry ny fahefany ka mampahory ny olom-pirenena, amin'izay dia azon'ny olom-pirenena atao ny tsy handà ny hanatanteraka izay zavatra tena ilaina amin'ny soa iombonana, izany hoe izay hitany fa tsara mikatsaka ny soa ho an'ny daholobe. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco