Ilay zaza mpandany dia nanao sesi-tany ny tenany, anefa noraisin'ny Rainy rehefa nody sy nibaboka, tsy nahafaly an'ny zanaka tao an-trano anefa izany. Hita taratra tamin'io tantara io ny asa nataon'ilay zaza mpandany, ny toe-piainan'ireo tantsaha sy ny fiompiana hataony, ny fifanampian'ny ankohonana sy ny fifankatiavana. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

18 aogositra 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra fahasivy ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao ary tariho ho amin’ny fahamarinana aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 19, 3-12)

Araka ny voasoratra ao amin'ny Soratra Masina dia misy fanoharana momba ny asa hita ao : ny voalohany ny tantaran'ilay zaza mpandany, ny faharoa  fanoharana ny momba ny talenta ary ny fahatelo dia ny fanoharana mikasika ny mpiasa eo amin'ny tanim-boaloboka.  Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

17 aogositra 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahasivy ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Izay mitandrina ny didin’i Kristy no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 18, 21-35 ; 19, 1)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 7 jolay 2025

• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...