Raha ara-tsoratra Masina ; nahoana no hoe "fanompoana" fa tsy "fanandevozana" ; satria asa fandavorariana no nisy teo amin'ny tantara fahariana, araka ny voalaza hoe "tsy tonga handrava ny lalàna fa hanatanteraka". Andevon'ny fiainana ianao rehefa tsy mametraka an'Andriamanitra eo amin'ny fiainanao, ny asa dia fanatanterahana sy fandavorariana ohatra ny asa hatao eo anivon'ny fianakaviana. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

21 jolay 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra fahadimy ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Omeo fahalalàna aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 12, 1-8)

Manoloana ny asa fahariana : Andriamanitra dia niasa an-kalalahana tamin'ny fahariana an'izao tontolo izao, tsy nisy endrika fanandevozana. Niseho tamin'ny fisiana ny asan'Andriamanitra ary lavorary. Ny fisiantsika dia fahalavorariana, tamin'ny alalan'ny asa-tanana no nanehoan'Andriamanitra fahariana dia indro ny fotaka novolavolaina nasiana fofon'aina. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

20 jolay 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahadimy ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 11, 28-30)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...