11 mey 2023 — Alakamisy, Herinandro fahadimy fankalazana ny Paka — Fantatsika fa nitsangan-ko velona marina tokoa i Kristy. Ianao, ry Mpanjaka nandresy, mamindrà fo aminay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 9-11)
Haingana be ny fielezan'ny tsaho ; ny fahafahany miparitaka sy miteraka zava-baovao dia tsy azo sakanana. Mazàna dia ny olona izay hananany fifandraisana akaiky ary fantany no ampidiran'ny mpanely tsaho sy mpilaza vaovao tsy marina ny fisalasalana mba haharoboka azy ireo anaty fandrika. Miparitaka lavitra sy haingana ny tsaho, ny olona iray maheno tsaho dia milaza izany amin'ny hafa. Katesizy momba ny fanelezana tsaho, iarahana amin'i P. Randriamiandrinirinarivo Eric Franck - SDB.
10 mey 2023 — Alarobia, Herinandro fahadimy fankalazana ny Paka — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo. Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 1-8)
Ny atao hoe "tsaho, vaovao tsy marina" dia teny na resaka mandeha mitety hatrany, izay tsy mbola voafotopototra na marina na diso. Izany hoe fampahalalana izay mampita amin'ny tanjona hamafazana fisalasalana momba zavatra na olona iray, ary tsy azo porofoina. Ny tsaho dia manamafy ny fahalianana, porofon'izany mazana ny olona no liana amin'ny tsaho, maika aza mampitombo ny fahalianany. Katesizy momba ny fanelezana tsaho, iarahana amin'i P. Randriamiandrinirinarivo Eric Franck - SDB.
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco