Talata 28 marsa 2023 — Herinandro fahadimy amin'ny Karemy — Ny tenin’Andriamanitra dia voa afafy, i Kristy no mpamafy; izay rehetra mahita Azy dia honina ao aminy mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 8, 21-30)
Ny pôlitika dia mikatsaka ny soa iombonana ary manome lanja ny fahamendrehan'ny olombelona sy ny zava-boahary. Olana avy amin'ny mpanao pôlitika ny fampiasana fahefana mandingana ny fetra nandaharan'Andriamanitra izany hoe mizaho zaho, tsy mahita ny fahantran'ny hafa. Mihevi-tena ho tsy refesi-mandidy ka manao didikofehy lehibe, mitsijinjo ny madinika. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Alatsinainy 27 marsa 2023 — Herinandro fahadimy amin'ny Karemy — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho; satria hatsaram-po no ao amin’ny Tompo, ary fanavotana lehibe — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 8, 1-11)
Ny fahefana dia fanompoana : fanompoana an'Andriamanitra sy ny namana. Ny fahefana amin'ny Eglizy dia fanasoavana ny vahoaka. Ny pôlitika dia mitaky finiavana sy hitsim-po ary fahamarinana, tsy maintsy mikendry ny soa iombonana. Manoloana ireo adidy sy andraikitra dia ilaina ny fahasoavan'Andriamanitra. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco