Alakamisy 9 febroary 2023 — Herinandro Tsotra fahadimy Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 24-30)
Ankehitriny eny amin'ny fiaraha-monina dia miseho lany ny elanelana, ary zary mifanao ankolafiny, mifandrafy, nefa samy kristiana ihany. Eny amin'ny sehatra iasana dia mampametra-panontaninana hoe : atao fitaovana hanangonan-karena sy vola ary voninahitra fotsiny ve ny anaran'Andriamanitra sy ny finoana. Maro ny mpino no manana fahefana amin'ny sehatra misy azy anefa mampiasa izany tsy amin'ny rariny. Katesizy momba ny fitiavan'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Alarobia 8 febroary 2023 — Herinandro Tsotra fahadimy Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny fanambaràna avy amin’ny vavanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 14-23)
Toa tsy mifanaraka amin'ny anarana entiny hoe "kristiana" intsony ny zava-misy ankehitriny ; maika ery ny olona te ho tonga kristiana fa malaina ny hiaina azy avy eo. Hita izany amin'ireo mangataka hiroso handray ny sakramentan'ny Batemy. Maro ireo miaina ny afobe satria efa miandry azy any an-tranony na eny amin'ny fiaraha-monina ny olana maro : ady lova, fifampiandaniana, fialonana, fankahalana, fahantrana. Katesizy momba ny fitiavan'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco