Sabotsy 21 janoary 2023 — Herinandro Tsotra faharoa Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy 3, 20-21
Ny fankamasinana ny andro alahady dia tsy miankina amin'ny safidy ho an'ny Kristiana vita Batemy satria didin'Andriamanitra. Ny atao hoe zanaka hendry dia ny fahaizany manatanteraka ny didy sy ny sitrapon'ny ray aman-dreniny. Ilaina ny mifandresy lahatra sy mifanentana mba hanaraka an'Andriamanitra sy ny sitra-pony. Katesizy momba ny fankamasinana ny andro alahady, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
Zoma 20 janoary 2023 — Herinandro Tsotra faharoa Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 3, 13-19
Ny maha samy hafa ny "didy sy ny safidy" : Ny didy dia tsy hananana safidy fa tsy maintsy atao. Ny safidy dia manambara zavatra azo atao na tsia fa miankina tanteraka amin'ny sitrapo. Ny maha samy hafa ny didy sy ny safidy dia ny vokany. Ny Kristiana vita batemy dia mampandefitra ny safidiny sy ny sitrapony fa mikatsaka sy manatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra. Katesizy momba ny fankamasinana ny andro alahady, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco