13 desambra — Tovovavy avy any Syracuse, Italie, i Masimbavy Lucie. Tonga tany Catane, teo amin'ny fasan'i Masimbavy Agathe, izy niaraka tamn'ny renin'ny izay tratry ny fahaverezan-dra tsy nahitam-panafana. Rehefa avy nivavaka fotoana fohy teo izy dia sondrian-tory kely.
Ao amin'ny fahambonian'ny hatsaram-panahin'Andriamanitra mihitsy ny hoe miteny amin'ny fitenin'olombelona Andriamanitra mba hanambaràny ny Tenany amintsika. Tsy mitady fomba hafa Izy rehefa miteny amintsika fa amin'ny fombatsika ihany. Tsy milaza afa-tsy teny iray Andriamanitra amin'ny teny rehetra ao amin'ny Soratra Masina dia ny Teniny tokana izay ao Aminy ilazany ny Tenany manontolo. Katesizy momba ny tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Talata 13 desambra 2022 — Herinandro fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo — Mitadiava ny Tompo dieny mbola mety ho hita Izy; miantsoa Azy dieny mbola akaiky Izy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 21, 28-32
12 desambra — Raha zohintsika ny tantara nahatonga izany fankalazana izany dia toa izao : Ny sabotsy 09 desambra 1531, nisy indiana nantsoina hoe Juan Diego Cuauhtlatoatzin, nankany amin'ny tananan'i Maxico mba haneho mari-panajana an'i Masina Maria. Rehefa nandalo eo am-pototry ny tendombohitra Tepeyac izy, dia tampoka naheno feo avy any an-danitra izy.
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco