Sabotsy 26 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra fahefatra amby telopolo Mandavantaona — Miambena ary mivavaha mandrakariva, mba ho mendrika hitsangana hiseho eo anoloan’ny Zanak’Olona ianareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 34-36
Ny fahitantsika an'i Jesoa dia midika fa tahaka Azy Andriamanitra na tsy mbola niseho tamin'ny tena endriny azy. Any amin'ny Testamenta Taloha dia amin'ny alalan'ny zavaboahary no nisehoan'Andriamanitra fa aty amin'ny Testamenta Vaovao dia io Jesoa nomena antsika io no manambara Azy Ray. Ny naneken'i Jesoa natao Batemy dia mba hantanteraka ny fandaharan'Andriamanitra momba Azy sy ny momba antsika. Katesizy momba ny batemin'i Jesoa, iarahana amin'i P. Rafaralahomboa Justolat.
25 nôvambra — Teraka manodidina ny taona 290, tao amin'ny fianakaviana andriana tao Alexandrie (Egypte), i Catherine, ary tao ihany no nodimandry, ny taona 307. Vehivavhy naraini-tsaina tokoa izy, ka ny fahalalana norantoviny sy nananany dia nahafahany nilahatra tamin'ireo pôeta sy filôzôfa nalaza tamin'ny fotoan'androny.
Zoma 25 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra fahefatra amby telopolo Mandavantaona — Miandrandrà ka asandrato ny lohanareo, fa efa akaiky ny fanavotana anareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 29-33
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco