09 aogositra — Teraka tao Breslau tao Allemagne ny 12 oktobra 1891 i Masimbavy Thérèse Bénédicte de la Croix. Edith Stein moa no tena anarany ary jody ny ray aman-dreniny.

Ny olombelona dia miavaka noho ireto antony ireto : ny fananana fihetseham-po sy ny hafaliana lehibe raha misy aina vaovao teraka eto an-tany ; raha misy zavatra mampijaly ny aina dia mihetsi-po malahelo ary ory tokoa ny olona manoloana ireo namana voan'izany ; raha misy fahafatesana dia mahatsiaro malahelo ary maneho fisaonana mihitsy. katesizy momba ny hasarobidin'ny aina, iarahana amin'i P. Rafaralahimboa Justolat.

Talata 9 aogositra 2022 — Herinandro fahasivy ambin'ny folo mandavantaona — Mitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin’i Kristy. Isaory Andriamanitra Ray amin’ny alalan’i Kristy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 18, 1-5. 10. 12-14

08 aogositra — Dominique de Guzman dia teraka tao Caleruega diosezin’i Osma tao Espagne tamin’ny taona 1170. Tao amin’ny sekoly Palancia izy no nandranto ny fianarana ny teôlôjia sy ny filôzôfia, ny taona 1196 izy niaraka tamin’ny dadatoany ary nikatroka tao amin’ny katedraly tao Osma ka niara-niaina tao izy ireo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...