Alahady 5 jona 2022 — Pantekôty — Avia, ry Fanahy Masina, fenoy Anao ny fonay mpino, ary ampireheto ao am-ponay ny afon’ny fitiavanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 15-16. 23b-26

Misy ireo andalan-tsoratra Masina ao amin'ny Baiboly ao izay mampianatra antsika fa ny mihaino akory tsy hoe "mandre amin'ny sofina" amin'ny maha retsi-pandrenesana azy fotsiny fa tena mifandray tanteraka amin'ny fifampiresahana eo amin'Andriamanitra sy ny olombelona. Ny fihainoana dia tsy avy aiza fa fahasoavana avy amin'Andriamanitra. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Sabotsy  4 jona 2022 — Herinandro fahafito fankalazana ny Paka — Hirahiko ho eo aminareo ny Fanahin’ny Fahamarinana, hoy ny Tompo; Izy no hitari-dalana anareo amin’ny marina rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 21, 20-25

Manoloana ny fivoaran'ny tontolon'ny serasera sy ny filazam-baovao amin'ny alalan'ny teknolojia dia tena ilaina ny fahaizana mihaino. Ny olona maro izay notsaboina momba ny ratra-po mpahazo ny olombelona sy ny filana dia noho ny faniriana lalina te-hohainoina. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...