Ny tena marina dia matetika isika no tsy mifampiresaka ao anatin'ny fifanakalozan-kevitra. Andrasantsika fotsiny ny hahataperan'ny fandraisam-pitenenan'ny hafa hampidirantsika ny hevitsika. Amin'ny tranga toy izany, araka ny voalazan'ny filôzôfa Abraham Kaplan hoe : ny ady hevitra dia lasa resaka roa, olona roa miresaka zavatra roa amin'ny feo roa. Ny fihainoana no singa ilaina voalohany amin'ny fifampiresahana. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Talata 14 jona 2022 — Herinandro faha iraika ambin'ny folo mandavantaona — Izay mitandrina ny didin’i Kristy, no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 43-48

Ny tsy fahampian'ny fihainoana izay matetika iainantsika amin'ny fiainana andavanandro, dia indrisy fa lasa iainan'ny sarambabem-bahoaka ihany koa ka toy izay hifampihaino dia indro isika lasa "miteny ao an-damosin'ny hafa". Maneho io fa aleontsika mitady marimaritra iraisana, toy izay hitady ny marina sy ny tsara ; aleontsika mifantoka amin'ny firesahana toy izay mihaino. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Alatsinainy 13 jona 2022 — Herinandro faha iraika ambin'ny folo mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny Fanambarana avy amin’ny Vavanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 38-42

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...