Ny andro fankalazana ny "Trinite Masina" no andro natokana ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona. Amin'ity taona 2022 : andro maneran-tany faha-56 ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona, izay napetraky ny Papa ho an'ireo mpikirakira ny fitaovam-pifandraisan'ny mpiara-belona. Ny loha-hevitra amin'ity taona ity : "Mihaino amin'ny fo", izay mifanohy amin'ny loha-hevitra tamin'ny taona lasa. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, hiarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Alakamisy 2 jona 2022 — Herinandro fahafito fankalazana ny Paka — Raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra no katsaho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 17, 20-26
Mafy ny fifanatrehana sy ny sedra manoloana ny fandrosoana ara-teknolojia, hany ka mahasarotra ny fiarovana ny aina ihany koa izany. Ny asa fahariana dia mifototra amin'ny tso-drano avy amin'Andriamanitra. Ny fiombonan'aina eo amin'ny mpivady dia mahatonga azy ireo ho tompon'andraikitra. Katesizy momba ny fanajana ny aina, hiarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Alarobia 1 jona 2022 — Herinandro fahafito fankalazana ny Paka — Ny Fanahy Masina no hampianatra anareo ny zavatra rehetra, hoy ny Tompo, sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 17, 11b-19
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco