Alatsinainy 28 febroary 2022 — Herinandro fahavalo mandavantaona — Ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampihiratra ny masom-panahintsika mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 10, 17-27

Amin'ny alalan'ny fandraisana anjara amin'ny fiainan'izao tontolo izao no anehoan'ny kristiana lahika ny firotsahany, ka ny toe-tsain'ny Evanjely no iainany indrindra eo am-panatanterahana ireo adidy sy andraikitra. Mikatsaka ny Fanjakan'Andriamanitra ihany koa ny lahika. Katesizy momba ny fikatrohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

Alahady 27 febroary 2022 — Alahady fahavalo mandavan-taona — Nosokafan’Andriamanitra ny fontsika mba hitandrina izay nolazain’i Kristy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 39-45

Tsy fankahalana ny fanambadiana akory no antony tsy hanambadian'ireo relijiozy fa nisafidy bebe kokoa ny hafa rehefa nisafidy ny hanana fo tsy mizarazara ho an'Andriamanitra sy ho fanompoana ny hafa. Fanomezana manokana avy amin'Andriamanitra ny fahadiovana sy ny fiainana azy io, izay azo miaraka amin'Andriamanitra. Katesizy momba ny fikatrohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...