Alahady 13 febroary 2022 — Alahady fahenina mandavantaona — Mitenena, ry Tompo, fa mihaino ny mpanomponao; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 17. 20-26
Mila faharetana ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly satria mila fotoana ireo olona hitoriana vao ho afaka mandray ao aminy ny fiainana ny hafatr'i Kristy ary mila fotoana ihany koa ny hibebahany marina tokoa. Katesizy momba ny fitoriana ny vaovao mahafaly, iarahana amin'i P. Hermann Solofonjanahary.
Sabotsy 12 febroary 2022 — Herinandro fahadimy mandavantaona — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 8, 1-10
Teny finoana ho an'ny Eglizy katolika ny nampakarana any an-danitra i Masina Maria, izay nambaran'ny Papa Pie XII tamin'ny alalan'ny constitution apostolique "Munificentissimus Deus", ny 01 novambra 1950, constitution apostolique. Ilay Renin'Andriamanitra virjiny madio indrindra, rehefa nahavita ny fiainana teto an-tany dia nakarina vatana sy fanahy any amin'ny voninhaitry ny lanitra. Fandalinana momba an'i Masina Maria miaraka amin'i P. Hervé Solofoarimanana
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco