Sabotsy 12 febroary 2022 — Herinandro fahadimy mandavantaona — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 8, 1-10

Teny finoana ho an'ny Eglizy katolika ny nampakarana any an-danitra i Masina Maria, izay nambaran'ny Papa Pie XII tamin'ny alalan'ny constitution apostolique "Munificentissimus Deus", ny 01 novambra 1950, constitution apostolique. Ilay Renin'Andriamanitra virjiny madio indrindra, rehefa nahavita ny fiainana teto an-tany dia nakarina vatana sy fanahy any amin'ny voninhaitry ny lanitra. Fandalinana momba an'i Masina Maria miaraka amin'i P. Hervé Solofoarimanana

Manankarena ny fiangonana noho ireo karazam-pahasoavana avy amin'ny Fanahy Masina. Roa ny karazam-pahasoavana : ny fiantsoana amin'ny fandraharahana masina, ary ny fiantsoana hiaina amin'ny fomba samihafa ny fanahafana an'i Jesoa Kristy. Katesizy momba ny fitoriana ny vaovao mahafaly, iarahana amin'i P. Hermann Solofonjanahary.

Zoma 11 febroary 2022 — Herinandro fahadimy mandavantaona — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 7, 31-37

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...