Nofidian'Andriamanitra manokana ny vehivavy hitondra famonjena an'izao tontolo izao. Eo amin'ny Jody, tsy dia nomena anjara loatra ny vehivavy. Ny an'i Masina Maria, iraka goavana, toy nataon'i Abrahama. Maria nanolotra ny zanany ho an'izao tontolo izao. Manana anjara toerana ao amin'ny fiangonana hitory ny Vaovao Mahavaly ny vehivavy. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien

Andriamanitra mihitsy no namaritra ny anaran'ny zanak'i Maria, araka ny voalaza hoe : " Jesoa no ataonao anarany". Mifono iraka ny anarana ary zava-dehibe izany, tahaka an'i "Jesoa" izay midika hoe "Mpamonjy". Ny ray no mamaritra ny anaran'ny zanany. Nanomboka tamin'ny andron'i Jesoa dia niandahy sy niambavy ny iraka ho famonjena. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramaanna Soloniaina Jean Emilien.

Ny votoatin'ny iraka ho an'i Maria virijiny dia ny ho : "renin'i Mesia", zanaky ny Avo indrindra. Mila manana vina-piainana isika fa Andriamanitra dia manana ny fandaminana. Mila manana fikasana tsara ny olona fa am-piarahana amin'Andriamanitra. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Maika ny iraka hampanaovin'Andriamanitra antsika fa amin'ny maha iraka azy dia tsy misy tambiny, ohatra ny andraikitra eo amin'ny fiangonana. Misy lafiny afaka miaraka ny "antso sy ny asa" fa misy sehatra hafa tsy mampety izany. Ny asa sy ny antso dia samy tsy azo atao ambanin-javatra satria tsy maintsy mivelona isika. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...