Ny Raozery sy Sapile : misy ny endrika efa mahazatra dia ny mistery 4, misy toko 5 avy ; fa misy koa, ohatra Sapilen'ny famindram-pon'Andriamanitra, Sapile miaraka sy ho an'ny fanahy ao amin'ny afo fandiovana, Sapile miaraka amin'ny Masina Misely Arkanjely... Misy koa ireo fanehoam-pinoana sy fitiavam-bavaka hafa efa fanaon'ny mpino hatry ny ela ; ilaina ireny satria olona mino sy mavitrika no ilaina. Katesizy momba ny vavaka ao amin'ny litorjia, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.
29 ôktôbra 2024 — Talata, Herinandro Tsotra fahatelopolo Mandavantaona — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 13, 18-21)
Ny vavaka, ny fivavahana dia fitodihana any amin'Andriamanitra ; fankatoavana, finoana sy fitokisana Azy. Fanandratana ny fo, fanahy sy ny tena manontolo mankany amin'Andriamanitra mba hisaotra amin'ny fanomezany. Ny Litorjia dia fanompoam-pivavahana ataon'ny vahoaka ho an'ny vahoaka, asa iaraha-manao ka misy firindràna efa raikitra. Ao amin'ny Litorjia no anohizan'ny Eglizy ny asa-pamonjena... Katesizy momba ny vavaka ao amin'ny litorjia, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.
28 ôktôbra 2024 — Masindahy Simôna sy Joda, Apôstôly — Fankalazana — Midera Anao izahay, ry Andriamanitra, ary manaiky fa Ianao no Tompo; ny antokon’ny Apôstôly be voninahitra dia midera Anao, ry Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 12-16)
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco