18 septambra 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahefatra amby roapolo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 7, 31-35)

Izay mivavaka dia tsy mandao an'izao tontolo izao. Raha tsy manangona ny fifaliana sy ny fanaintainana ny vavaka, ny fanantenana sy ny ahiahin’ny zanak’olombelona, ​​dia lasa hetsika sy haingo izany, teatra, fampisongadinana ny tena fotsiny. Isika rehetra dia mila ny mihay ny atin'ny fontsika: mitady toerana, manokana fotoana ho an'ny fifandraisantsika amin'Andriamanitra; tsy midika hoe mandositra ny zava-misy izany. Katesizy momba ny vavaka fanelanelanana, iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.

17 septambra 2024 — Talata, Herinandro Tsotra fahefatra amby roapolo Mandavantaona — Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo, tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 7, 11-17)

Mamaly foana ny vavaka Andriamanitra: anio, rahampitso, mamaly foana Izy, amin'ny fomba samihafa. Averin’ny Baiboly imbetsaka izany: Mihaino ny fitarainan’izay miantso Azy Andriamanitra. Eny, na dia ny fangatahanatsika manahirana indrindra, izay mahamenatra antsika; ilana faharetana lalandava, ny fiandrasana ny valim-bavaka. Na ny fahafatesana aza mangovitra rehefa mivavaka ny Kristiana... Katesizy momba ny vavaka fangatahana, iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 23 jona 2025

• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...