2 septambra 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra faharoa amby roapolo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana. Ankamasino amin’ny fahamarinana izahay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 4, 16-30)
Anisan'ny toetra iray mampiavaka ny vavaka ataon'i Jesoa ny fitokanany ho irery. Tsy hoe mandositra an'izao tontolo izao izay mivavaka mangina sy mitokana fa rehefa mitokana amin'ny toerana mangina isika amin'ny vavaka ataontsika dia maheno feo miafina any anatin'ny fontsika lalina indrindra any aza. Ny vavak'i Jesoa no toerana ahatsapantsika fa ny zavatra rehetra dia avy amin'Andriamanitra ary miverina any aminy ihany. Katesizy momba an'i Jesoa, olon'ny vavaka, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Alahady faha-22 mandavantaona - B : Tsy mora ny manaraka an'i Jesoa, fa misy hazofijaliana ; Hanazava ny masom-panahintsika anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika; mba hahalalantsika ny fanantenana niantsoany antsika. Ny fanarahan-dia an'i Jesoa dia ilana fifehezan-tena ; voalaza ao amin'ny Boky Deterônômy ny hoe : aza manampy na manala amin’izay andidiako anareo, tandremo ny didin’ny Tompo. Manana adidy amin'ny fanabeazana ny Kristiana hanaraka ny fifampifehezana, ny fitsipika eny anivon'ny fiaraha-monina ny Eglizy ; isan'ny toetra maha-kristiana ny fiainana ny lalan'i Jesoa, indrindra ny fiatrehana ireo sedra sokajiana ho hazofijaliana...
1 septambra 2024 — Alahady Tsotra faharoa amby roapolo Mandavantaona — Hanazava ny masom-panahintsika anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika; mba hahalalantsika ny fanantenana niantsoany antsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 1-8a. 14-15. 21-23)
• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco