Alahady faha-17 mandavantaona — B : Velomin'Andriamanitra amin'ny mofo avy any aminy isika ; Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy, amin’ny Anaran’ny Tompo! Fiadanana anie any an-danitra ary voninahitra anie any amin’ny Avo indrindra!. Ny fahagagana nataon'i Jesoa tamin'ny fampitomboana ireo mofo ôrja dimy sy hazandrano roa dia antony roa no nanaovany azy : voalohany, noho ny fahangorahany ny vahoaka nanatona Azy tamim-pitokiana, tsapany ny hanohanana ara-panahy sy ara-batan'ireo vahoaka ; faharoa fampisehoana miarairy ny amin'ny antony nahatongavany teto an-tany. Izay atolotr'Andriamanitra dia ho ampy ny olona, tsy izay mandray no mahazo be fa izay manome...
28 jolay 2024 — Alahady Tsotra fahafito ambin'ny folo Mandavantaona — Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy, amin’ny Anaran’ny Tompo! Fiadanana anie any an-danitra ary voninahitra anie any amin’ny Avo indrindra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 1-15)
I Davida dia masina sy mpanota, voaenjika sy mpanenjika, nampijaliana sy mpampijaly, izany daholo mihitsy no niainany ; isika ihany koa eo amin'ny fiainantsika dia mety sendran'ireo tranga mifanohitra matetika. Ny vavaka irery ihany no lalan-tokana tsy nampihontsina an'i Davida teo amin'ny fiainany ka tsy nampivoana azy tamin'ny sori-dalana natao hodiaviny. Ny vavaka no feo tsy maty tao anatin'i Davida... Katesizy momba ny vavak'i Davida, iarahana amin'i P. Sylvain Rafaralahimboa.
27 jolay 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahenina ambin'ny folo Mandavantaona — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 24-30)
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco