Misy fiantraikany amin'ny vatana sy ny fahasalamana ny tsy fahampian'ny torimaso : mety hanana olona amin'ny fitadidiana, kizintina, tsy ampy fifantohana... 24 ora ny faharetany andro iray : 8 ora hiasana, 8ora hatoriana, 8 ora hanaovana zavatra hafa. Ny faretan'ny torimaso ara-pahasalamana 7 - 8 ora ho an'ny olon-dehibe. Misy tsingerina maromaro ao anaty torimaso : ny rendremana ; ny torimaso lalina ary ny torimaso feno izay misy ny nofy tadidy rehefa mifoha. Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.

Hapetraka ho faritra arovana ny ala tapia ao amin’ny kaominina Arivonimamo faharoa sy Miarinarivo faharoa ao amin’ny faritr’i Itasy. Misedra fahasahiranana amin’ny fiarovana ny ala mantsy ny vondron’olona ifotony mitantana ny ala manoloana ny fandripahana amin’ny endriny samihafa...

Ny fiainan'ny mpivady dia voafaritry ny zavatra maromaro ka ny firindrany dia vokatry ny fifampitondrana sy ny safidy ataony. Isan'ireny ny fanapahan-kevitra hanao ny fandrindram-piterahana manaraka ny rafitra voajanahary. Izany dia manosika ny mpivady hifanakalo hevitra matetika, hifankafantatra ny toe-batana misimisy kokoa. Noho izany ny fifampiresahana mialohan'ny fanapahan-kevitra sy ny fiainana ny safidy niaraha-nanapaka dia simenitra manamafy ny fifankatiavana. Mitaky fandraisana andraikitra hatrany ny safidy izay atao, anisan'izany ny fitsinjovana ny ho avin'ny tokantrano sy ireo taranaka. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.

Ny atao hoe lefakozatra dia aretina mifindra, azo avy amin'ny tsimok'aretina polio, izay mety mahatonga fahalemena tampoka, manome takaitra mandramaty, ary mety mahafaty. Ny fifindrany dia amin'ny alalan'ny sakafo tsy madio, tanana misy tsimok'aretina. Ny zaza tsy vita vaksiny na tsy ampy fatra ny vaksiny natao taminy no mety hanaparitaka na hararin'ny lefakozatra. Ny tay miparitaka no manaparitaka ny tsimok'aretina eny amin'ny tontolo iainana. Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...