Ny zokiolona dia ireo 50 taona mihoatra, sokajin-taona vaovao ary toe-pahasalamana vaovao no iainan'ireo olona ireo : fanimpanina, tsy mahare loatra, fahasalamana anaty, fiovana ety ivelany. Ny taona dia mifamatotra amin'ny fahasalamana, misy araka izany ny fepetra raisina mba afahana manara-maso ny fahasalamana ; ilàna fandanalanjana ny sakafo sy ny fihetseham-batana.... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Ny "goitre" dia aretina iray miteraka olana amin'ny fitelemana sakafo, manimba ny feo, aretina mihombo tsikelikely. Ny fivontosana amin'ny vatan'ny tiroida, izay manimba ny ampahany anoloana amin'ny tendany. Ny tiroida no mpamokatra ny tsirimpanentana, ilaina miantoka ny fitempon'ny fo, fanodinana ny sakafo sy zavatra maro anatin'ny olombelona, fandanjalanjana ny hafanan'ny vatana... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Aina hoan’ny zavamananan’aina, tsy ankanavaka rehetra ny rano, raha olombelona koa tsy afa-miala aminy. Misedra olana momba ny rano nefa isika ankehitriny, na an-tanandehibe na ambanivohitra. Nivoaka tamin’ny fahanginana ny firaisamonim-pirenena misehatra amin’ny rano, ny fidiovana ary ny fanadiovana na ny OSCEAH manoaloana ny toe-java-misy eto amin’ny firenena...
Ny fomba fijery miabo dia toe-tsaina mitarika ny olona hahita ny tsara sy hanana fanantenana na dia eo amidin’ny fahasahiranana aza, ka manampy amin’ny fanatsarana ny fiainana. Amin’ny fanamby atrehin’ny tanora sy ny ady amin’ny VIH/SIDA, dia ilaina ny fanabeazana sy fanohanana ara-panahy sy ara-tsosialy hanamafisana ny herim-po sy ny fanajana ny hafa. Manoloana ireo marary na mitondra ny VIH/SIDA dia tokony manao toy ny nataony Samiritana ka manampy tsy manilika ary miezaka miaro azy ireny isika. Mila ny fanohanantsika izy ireny ara-moraly... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco