Zavatra iray tsy azo tsinotsinoavina eo amin'ny fianan'olombelona ny fifandraisany, na aman'olona, na amin'ny zava-boahary manodidina azy, na amin'Andriamanitra. Ho an'ny tanora dia manampy azy hivelatra ny fananana namana, mila fitandremana nefa ny fisafidianana ireo namana. Ny tena mpinamana dia mifampitarika amin'ny soa. Ny fitondran'ny namana na ny olona akaiky anao ny VIH/SIDA dia tsy antony tokony hanilikilihina azy velively. Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Rehefa ao anaty tsy fahasalamana dia vao mainka toa mavesatra sy sarotra kokoa noho ny andavanandro ireo olana efa tandra vadin-koditra amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona. Manoloana izany indrindra anefa no tsy maintsy hanamafisana ny finoana sy ny fanantenana, ary iainana ny faharetana. Ireo finoana, fanantenana sy faharetana ireo no entin’ny Vaomieran’ny Eveka momba ny Fahasalamana, hankaherezana ireo rehetra misehatra eo amin’ny tontolon’ny fahasalamana : dia ny marary, ny mpitsabo, ny mpikarakara ary ny havan’ny marary, mandritra ny fankalazana ny Jobilin'ny Marary...

Ny fiarahan-dalana dia fifanatonan'ny olona na vondron'olona maromaro mba hiombona amina tanjona iray. Ny fiombonana indray dia fototra iray mampisy fahombiazana ao anatin'ny fiarahan-dalana. Ho an'ny fiainan'ny mpivady manokana dia mifanindran-dalana ny fiarahan-dalana sy ny fiombonana, rehefa miditra tanteraka amin'ny fiainan'ny andaniny ny ankilany. Mpiara-miombona antoka mitovy lenta ny mpivady, ary mifameno sy mifampiankina amin'ny ezaka hahatongavana amin'ny tanjona iombonana.

Mbola maro ny vehivavy miaina ao anatin'ny fiankinan-doha. Maniry mafy izy ireny, ary manao ny ezaka rehetra, ny mba hizaka tena, noho izany dia maro koa ireo manararaotra izay finiavan'ny vehivavy te hizaka tena izay. Endrika iray isehoan'izany fanararaotana izany ny famarinana olona.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 jolay 2025

• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...