Ny fadim-bolana dia toe-javatra iray iainan'ny vehivavy ary tafiditra ao anatin'ny fitombony ara-boajanahary. Raha atao ny kajy dia 7 taona no fitambaran'ny andro hisian'ny fadim-bolana, ao anatin'ny fiainany ny vehivavy iray. Maro ny hevi-dso sy finoanoam-poana ary tsy fahalalana manodidina izany hany ka mahaonga fanavakavahana sy fanilikilihana azy ireo, ka miteraka ny fanitsakitsahana ny maha-olona. Koa ilaina noho izany ny fampahafantarana sy ny fanabeazana. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
Anisan’ny mbola hamaivanin’ny olona ny fahasalamana ara-tsaina raha ny eto Madagasikara. Tranga mety hiseho amin’ny olona rehetra anefa ny aretina ara-tsaina. Ny fahasalamana ara-tsaina dia misy fiantraikany mivantana amin'ny fiasan'ny tsirairay sy ny fiaraha-monina, manamarina ny maha-zava-dehibe ny hetsika alohan'ny olana mba hampiroboroboana ny fahasalamana ara-tsaina. Ny fahasalaman'ny ara-tsaina dia fahafahan'ny olona iray manatanteraka ny vinany sy miatrika ny trangam-piainana, ahafahana miasa. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
Ny fiainan'ny mpivady dia voafaritry ny zavatra maromaro ka ny firindrany dia vokatry ny fifampitondrana sy ny safidy ataony. Isan'ireny ny fanapahan-kevitra hanao ny fandrindram-piterahana manaraka ny rafitra voajanahary. Izany dia manosika ny mpivady hifanakalo hevitra matetika, hifankafantatra ny toe-batana misimisy kokoa. Noho izany ny fifampiresahana mialohan'ny fanapahan-kevitra sy ny fiainana ny safidy niaraha-nanapaka dia simenitra manamafy ny fifankatiavana. Mitaky fandraisana andraikitra hatrany ny safidy izay atao, anisan'izany ny fitsinjovana ny ho avin'ny tokantrano sy ireo taranaka. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
Olana mbola misy eto Madagasikara ny tsy fanjarian-tsakafo. Ny andro sôsialy dia hetsika fanao isan-taona izay karakarain'ny APSE "Apostolat Social et Écologique", avy amin'ny fikambanan'i Jesoa ; amin'ity taona 2024 ity dia amin'ny 16-17-18 mey no hanatontosana izany, hetsika hiresahana ny tsy-fanjarian-tsakafo. Ny fanjarian-tsakafo : fahafahana misitraka sakafo, fahefa-mividy, fahafahana mampiasa sy mihinana sakafo. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
• Namangy ny Aomoneria Katolikan'ny Oniversiten'Antsiranana, i Mgr Benjamin Marc Ramaroson omaly 16 marsa 2025... • Nosokafana omaly tao amin'ny Diosezin'i Morondava ny fankalazana ny faha-800 taonan'ny namoronan'i Masindahy François d'Assise ny “Cantique des créatures” na ny Antsan'ny zavaboahary... • Toerana iampitan'ny fahazavan'Andriamanitra ny tobim-pahasalamana, hoy ny Papa François omaly, tao anatin'ny fandalinam-pinoana nomaniny, nozaraina tao amin'ny tranonkalam-pifandraisan'ny Vatican...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco