Ny GERP dia vondrona iray miaro sy mikaroka ny gidro, ny varika sy ny ala eto Madagasikara, miaro ny tontolo iainana. Ilaina ny fanamaitsona ny tontolo sy ny fambolen-kazo mba hanavotana ny zava-manan'aina rehetra ; misy ny roh mampifandray ny olombelona sy ny tontolo iainana. Ny fambolen-kazo dia tokony hakendry ireo toerana misy fahasimbana (ngazana, mihotsaka...), anefa tokony hisy hatrany ny fanaraha-maso azy ireny. Ilaina hatrany ny mamantatra ny karazan-kazo tokony hovolena, torak'izany koa ny toerana... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Ny sehatra fanehoan-kevitra dia fomba iray afahana mampandray anjara ny tanora, indrindra amin'ny fampandrosoana ny firenena. Ny 70% amin'ny mponina eto Madagasikara dia tanora ka azo lazaina ho singa lehibe afahana mampandroso firenena ny fanomezana sehatra azy ireo. Raha tsy omena sehatra ny tanora dia lasa mijanona ho mpitazana izy fa tsy ho mpandray anjara amin'ny fiainan'ny firenena, na ny momba ny tenany mivantana koa... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Andro iraisam-pirenena ho an’ny fanabeazana no hankalazaina ny sabotsy 24 Janoary 2026 izao, izay andraisana ny lohahevitra mikasika ny fanabeazana ara-pahasalamana hafahan’ny isam-batan’olona mandray ny fahalalàna mivoatra hananana fomba fiaina raikitra misoroka aretina. Ny fanabeazana ara-pahasalamana dia dingana fanabeazana izay mikendry ny hanatsaràna ny fahasalaman’ny olona tsirairay sy ny fiaraha-monina... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Fianakaviana : fiarovana, izay filàna fototra voalohany. Misy antony maro mahatonga ny fianakaviana ho toy ny fanagadrana, fihafiana, fijaliana ; isan'ireny ny tsy fisian'ny fifampiresahana. Ny fomba fiainana ao an-trano dia misy akony lehibe amin'ny fanabeazana sy amin'ny sain'ny ankizy na ny tanora. Mba tsy ho kisary ratsy manoloana ny zanaka dia aoka hosohana ny fifamaliana eo imason'izy ireny... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 19 ôktôbra 2026

• Tontosa ny alakamisy 15 ôktôbra 2026 tany amin'ny Diosezin'Ambositra, ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny Taom-pianarana 2026-2027 eo anivon'ny Sekoly Katolika manerana an'i Madagasikara... • Hotontosaina ny 8 nôvambra 2026 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Mariusz Kasperski, Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... • Nisaotra ireo mpino nivavaka ho azy tamin'ny fandidiana azy ny Ray masina, nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...