Sehatra manan-danja ary tsy azo idovirana eo amin’ny fiainan’ny olona iray, na fianakaviana, na fiaraha-monina, ary indrindra ny firenena ny fanabeazana. Tsy maintsy misy lafin-javatra omena lanja ao dia : ny fampianarana, fianarana, fampitana, fahaiza-manao, sns, mba afahanana mivelatra amin’ny maha-olona feno. Anisan’ny mandrafitra io maha-olona feno io ny ara-batana, ara- tsaina, ara-panahy, ara-piaraha-monina, ary ny ara-pihetseham-po. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe.

Ny fanantenana tsy manodoka" Rm 5,5 fa manome hery antsika amin'ny andro fitsapana. Mety hitondra fiononana izany teny izany, mety hisarika ny saina hametra-panotaniana koa nefa, indrindra rehefa marary sy mitondra fangirifiriana. Ahoana no hananana tanjaka raha hitantsika manoloana antsika ireo olona tiantsika mijaly, nefa tsy afa-manoatra isika tsy afaka hanampy azy akory ?. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe.

Ny fampitàna ny Soatoavina dia loharanon'ny Fanantenana amin'ny fanatsarana ny fiainana. Ny fampitàna ny soatoavina dia mitana anjara toerana lehibe amin'ny fananganana tontolo tsaratsara kokoa, satria mamela ny fitsipi-pitondran-tena hampitaina amin'ny taranaka mifandimby. Soatoavina : firaisan-kina, fifnajàna, fihavanana... Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe.

Manoloana ny zava-misy ankehitriny vokatry ny fahasimban’ny tontolo iainana sy ny fiovan’ny toetrandro dia miatrika fanamby maro ny firenena Malagasy. Anisan’ny vahaolana mahomby sy maharitra hiatrehana izany ny fambolen-kazo, izay sady manamaintso ny tontolo, no antoky ny fahasalamana, ary indrindra mitsinjo ny ho avin’ireo taranaka... Entanina ny rehetra mba hampahafantarana ireo singa sy rafitra rehetra tsara ho fantatra mba ho tena mamboly hazo tokoa fa tsy manatsatoka, Tsy vitan’ny olo-tokana na andian’olom-bitsy ny fiatrehana io olana io fa mila ny fiaraha-mientana... Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 jolay 2025

• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...