Tsy loza mitatao fa efa loza mihatra, mandoza, manimba eny amin'ny fiaraha-monina sy ny isam-batan'olona ny fiparitahana sy ny firongatry ny fandraisana zava-mahadomelina mahery vaika. Misy atsindrona, misy nyt fohana ary misy ny hohanina. Simba ny ati-doha sy ny taova maro hafa ao amin'ny vatana. Vetivety ny fiankinan-doha. Sarotra ary manahirana ny fialana aminy. Manana andraikitra isika olom-pirenena tsirairay na iza ianao na iza hiady amin'izany mba hananana taranaka sy firenena vanona.

Maro ny antony mety hahatonga ny sofina hanana olana amin'ny fandrenesana. Manongilana loha sy sofina, na mamerina manontany matetika raha misy miteny aminy ny olona manana olana amin'ny fandrenesana. Mila fitiliana akaiky amin'ny alalan'ny "audiometrie" io olana io. Mety ho tratrany ny sokajin-taona rehetra. Misy karazany roa amin'ny ankapobeny : voalohany, olana eo amin'ny fidiran'ny feo ; faharoa, olana eo amin'ny fandraisana ny feo. Fa mety ho izy roa miaraka koa. Ananan'ny manam-pahaizana manokana momba ny sofina vahaolana daholo ireo. Ilaina ny manatona mpitsabo raha vao misy olana ny fandrenesana. Tsy fisikotra ny sofina, tsy tsara ny mihaino feo mafy loatra fa mety hanimba ny sofina.

Rehefa tsapaina amin'ny fitaovana fitsapana "tensiomètre", ny tosi-dra ambany dia ireo ambanin'ny 10 > 6,  na 9 > 6. Ny tosi-dra ambany dia mety ho toe-batana fa mety ho fambaranà aretina ihany koa. Misy antony ny fidinan'ny tosi-dra toy ny : fitaran'ny lalan-dra madinika, fikorontanana eo amin'ny fo, fahaverezan-drano be loatra, tsy ampy rano, fahaverezan-dra, aretin'ny voa, rarintsaina, havizanana, mety ho tsy fahazakana fanafody sasany ihany koa. Fambara : Fanina, valaka, midobodoboka be ny fo.

Ny diabeta dia tsy aretina fa toe-batana, ny fiombony no mahatonga aretina na tsy fahasalamana, noho izany tsy tsaboina fa halamina. Ny fiakaran'ny tahan'ny siramamy ao anatin'ny vatan'ny olombelona, izay jerena amin'ny alalan'ny ra no hamantarana hoe diabetika ny olona iray. Misy ny atao hoe "insuline", izay vokarin'ny sarak'aty, ao anatin'ny olombelona, ka io tsirim-panentana io no mandrindra ny fampiasan'ny sela ny siramamy. Ny olombelona iray diabetika dia manana olana amin'ny voa.  Manaranaka ny diabetika, ary mifandraika amin'ny fomba fiainan'ny olombelona iray... Fandaharana "andriano ny fahasalamanana".

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...