Ny aretina "parkinson" dia aretina mahazo ny selan'ny atidoha, izay mamokatra ny tsiranoka atao hoe "dopamine". Ity farany dia manana ny asa mandrisika ny vatana havitrika. Ny atidoha dia taova mibaiko ny vatana manontolo, ka ilàna fitandremana. Ny sakafo mandrisika amin'ny famokarana "dopamine" : ankondro, chocolat, sésame, zavoka, atody, sakafo vita avy amin'ny ronono. Ny lehilahy no betsaka voan'ny aretina "parkinson", ny salan-tanao dia manodidina ny 60 taona no miakatra. Ny fambara : valabalaka, mihena ny fifantohana, mihena ny fahazotoana manao asa, mihinjitsindritra ny ozatra samihafa, sahirana manetsika vatana, mangovitra ny loha na tongotra na ny tanana rehefa mipetraka, sahirana miteny, miharatsy soratra...

Ny varisy  dia fihitaran'ny haben'ny lalan-drà "veine" noho ny fahaverezan'ny fizozorany, ity lalan-drà ity dia ilay fantsona mitondra ny rà maloto miverina any amin'ny fo. 30 hatramin'ny 35% ny vehivavy no mety ho tratry ny varisy ary 15 hatramin'ny 30% ny lehilahy. Ny varisy dia  misy karazany roa : ny voalohany , ireo hita ety ivelany izay mitarika amin'ny faharatsian'ny endrika sy bika, ny faharoa dia ireo tsy tazana fa any anaty nofo. Ny faritra mety hisy azy amin'ny vatan'ny olombelona : fe, ranjo, tampon-tongotra, ny hoditra fonon'ny vy ho an'ny lehilahy. Ny antony : tarazo, fihoaran'ny lanja, vokatry ny fitsaganana na fipetrahana lava, na mandry lava, vahanterana, ary farany olona amin'ny fitondrana vohoka...

Ny tosi-drà dia mitarika fahafatesana raha dia ka miakatra avo loatra. Ho an'ireo izay manao fitsapana tosi-drà an-trano dia ireto tarehimarika ireto no mety hiseho (13-8), mba tsy handiso ny valin'ny fitsapana dia ilaina ny mak'aina tsara vao mampiasa ny fitaovana. Na mahita ireo tarehimarika ireo aza dia ilaina ny fanaraha-maso io tosi-drà io 3 hatramin'ny 4 andro vao afaka milaza fa manana tosi-drà avo ny olona iray. Misy ambaratonga telo ny tosi-drà avo : HTA maivana (14-15), ny HTA antonony (16-17), ary ny fahatelo dia ny HTA avo indrindra (+18). Maro ny antony mahatonga ny tosi-drà ho avo : sakafo, zava-madomelina, raritsaina, takaitra napetraky ny Covid-19. Fambara : marary andoha, fanina, mivalana, mena maso...

Ny fahasalamana dia fahatomombanana tsara ara-batana sy ara-panahy, ary tsy voateny amin'izany ny ara-tsaina. Ny aretina alzheimer dia ao anatin'ny fianakaviamben'ny "démence", ity farany dia  fahavoazana tsikelikely eo amin'ny fahaizana mitadidy, mandray zavatra, mianatra, mampiasa, mametraka vina, manao paik'ady. Ny aretina alzheimer dia aretina mahatonga fahaverezana tsikelikelin'ny fahaizana eo amin'ny olombelona iray ka mihoatra ny 6 volana fa tsy tampoka ireo tranga voalaza ery aloha. Samihafa ny aretin'ny saina sy ny fanahy ; ny saina dia fitambaran'ireo tsirikevitra mahatonga ny olona hanana fahaizana ; ny fanahy koa dia herin'ny fiainana mampiseho ireo tsiri-kevitra hipoiran'ny fanahiana sy ny finoana...

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...