Izao no voalaza ao amin'ny kolosianina 3, 23 : na inona na inona ataonareo dia tontosao amin'ny fo tokoa, toy ny atao amin'i Jesoa Tompo fa tsy aman'olona. Dingana tsy maintsy lalovana amin'ny fibeazana ny fianarana mba hanomanana ny ho avy. Izay rehetra mianatra dia tokony hitombo amin'ny maha-olona feno azy : vatana, saina, fanahy, fitiavana, finiavana, sitra-po... Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa.
12 aprily 2024 — Zoma, Herinandro faharoa Fankalazana ny Paka — Ny ondriko mandre ny feoko, hoy ny Tompo fantatro izy ary manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 1-15)
Ny fianarana no lova tsara indrindra, hoy y fiteny mahazatra. Kanefa indraindray misy koa mametraka fanontaniana hoe : hiatrika fiainan-tokan-trano ve dia ilàna fianarana?. Hanambady ve dia ilàna diplaoma? fa moa ve hanabe ny zanany sy hanara-maso ny fianaran'ny zanany ny tanora nanao antsirambina ny fianarany?. Ny fahalalana no entina mampivoatra ny fianakaviana. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa.
11 aprily 2024 — Alakamisy, Herinandro faharoa Fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy Ilay nahary ny zavatra rehetra ary niantra ny zanak’olombelona — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 3, 31-36)
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco