Teo anatrehan'ny firongatry ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana miharo fanodinana ara-pôlitika nanomboka tamin'ny 1991 dia namoaka fanambaràna ny Vaomiera maharitry ny Eveka tamin'ny 24 febroary 1995 : Tsy natao hanohana firehan-kevitra pôlitika ny fivavahana iraisam-pinoana, na inona na inona anarana entin'izany ary na inona na inona lanjan'izany eo amin'ny tantaram-pirenena. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
9 desambra 2023 — Sabotsy, Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Manandrata feo eny amin’ny tendrombohitra, ianao izay mitory teny soa; indro fa tonga amin’ny heriny ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 9, 35 — 10, 1 sy 6-8)
Ny hafatry ny Eveka mikasika ny Eglizy sy ny raharaham-pirenena dia navoaka ny 25 desambra 1973 : tsy anjaran'ny Eveka sy ny Pretra... ny mibaiko ny kristiana amin'ny tsanga-kevitra pôlitika tokony harahiny na ny antoko pôlitika tokony hidirany na haoriny... Ny hany anjaran'ny Eveka sy ny Pretra dia ny manampy ny kristiana hitsara sy handanjalanja ireny raharaha ireny, mifototra amin'ny soa iombonana. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
8 desambra 2023 — Masina Maria notorontoronina tsy azon-keloka — Fankalazana manetriketrika — Arahaba, ry Maria feno hasoavana; ny Tompo ao aminao; nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 1, 26-38)
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco