21 nôvambra 2023 — Talata, Herinandro Tsotra fahatelo amby telopolo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana. Ankamasino amin’ny fahamarinana izahay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 19, 1-10)
Ambaran'ny Eglizy fa "ny fifankatiavan'ny mpivady dia fitia mifamaly, sady tsy noteren-tsy novozonana ka tena mendrika ny olombelona tokoa ; noho izany ny olombelona manontolo mihintsy no soavin'io fitiavana io. Marihina amin'izany fa ny hoe "fitia mifamaly" tsy midika akory hoe tsy fisian'ny fifandonan-kevitra. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
20 nôvambra 2023 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahatelo amby telopolo Mandavantaona — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny Lalànao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 18, 35-43)
Ny voalohany dia ny hatanterahan'ny faminanian'i Simeona : ho tanterahin-tsabatra ny fonao ; ny faharoa ny fandosirana tany Ejipta ; fahatelo dia i Jesoa very tao an-tempoly tamin'ny faharoa ambin'ny folo taoanan'i Jesoa ary nalahelo izy ; ny fahaefatra dia i Jesoa mitondra ny hazo fijaliana, ontsa ny fony nahita ny fijalian'ny zanany i Masina Maria ; fahadimy Masina Maria nijoro teo am-pototry ny hazo fijaliana ka nandre ny tenin'i Jesoa hoe : rahavehivavy indro ny zanakao, ary tamin'ny mpianany hoe : indro ny reninao ; ny fahaenina dia ny nampidinana ny fatin'i Jesoa teo amin'ny hazo fijaliana ka nandraisan'i Masina Maria azy teo an-tratrany ; ny fahafito dia ny fandevenana an'i Jesoa tao am-pasana.
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco