Nisy talohan'ny fahotana ny asa ; ao anatin'ny fahamendrehan'ny zava-boaharin'Andriamanitra ny asa, izay maneho ny fahalavorarian'Andriamanitra fitiavana. Nivoatra io asa voalaza io araka ny hoe : "ny hatsembohan'ny tavanao no ihinananao " izany hoe lasa mitorngy vao homana na hoe mafimafy kokoa ny fanompoana ny tany. Nomen'Andriamanitra saina anefa ny olombelona hampiroborobo ny fomba fiasa. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

29 jolay 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahenina ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 24-30)

Voahozona ny tany : mikomy ny tany, mikomy amintsika ny voahary. Tsy maintsy misasatra sy misahirana ny olombelona mba hamerina amin'ny laoniny ny zava-boahary. Ny olombelona dia tsy maintsy manompo ny zava-boahary : mamelonan mamerina amin'ny laoniny ny zavatra rehetra. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

28 jolay 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra fahenina ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 18-23)

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...