Hajao sy kajio ny tontolo manodidina anao. “hevero ho toy ny tenanao ihany no iharan’izay ataonao, raha tsara dia ianao ihany no hisitraka izany, raha ratsy dia ianao ihany no ho voan’izany”. Izay tsy tianao atao amin’ny tenanao aza atao amin’ny hafa. Ohatra: ny fako ao an-trano sy eny amin’ny lalana; maloto amin’ny trano fidiovana, atoroy ny fomba tokony hatao fa tsy miteny na mandrara fotsiny. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.
8 jolay 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahatelo ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny tenin’ny fahamarinana Izy, mba ho santatry ny zava-boaariny isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 14-17)
Ny tsy fahatahorana an’Andriamanitra no mahatonga ny maro hanaonao foana, tsy handinika izay tokony hatao, tsy hatsapa izay mety hiseho sns… “Heloka sy hadisoana eo anatrehan’Andriamanitra ny fanimbana ny tontolo iainana satria famonoana ankolaka sy tsikelikeny aina izay fanomezan’Andriamanitra”. Kojakojao ny tenanao fa ianao no tontolo iainana voalohany..... Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.
7 jolay 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra fahatelo ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 9-13)
• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco