7 jona 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahasivy Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava, manilo ny maso — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 18-27)
Notsiahivin'ny Papa François indrindra ny fampianaran'i Jesoa hoe : ny voany no hamantarana ny hazo (Lk. 6, 44) " ny olona tsara dia mamoaka izay rakitra tsara ao am-pony fa ny olona ratsy kosa dia mamoaka izay ratsy avy ao am-pony, dia izay be ao am-pony no aloaky ny vavany". Noho izany raha te hanana fiseraserana tsara dia tsy maintsy manadio ny fo. Katesizy momba ny andro manerantany ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
6 jona 2023 — Talata, Herinandro Tsotra fahasivy Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 13-17)
Andro faha-57 ho fankalazana ny andron'ny fifandraisan'ny mpiara-belona ny amin'ity taona 2023 ity. Izay be ao amin'ny fo no aloaky ny vava, raha tena mahay mihaino ny hafa amin'ny fo madio isika dia mazava loatra fa ho afaka hanambara na hiteny ampahamarinana sy am-pitiavana ihany koa, ny tokony hatahorantsika bebe kokoa hoy ny Papa François. Katesizy momba ny andron'ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco