9 jona 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra fahasivy Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava manilo ny maso — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 35-37)
Ny firotsahana anatin'ny fiseraserana "amin'ny fo sy sandry mivelatra" dia tsy mahakasika fotsiny ireo mpikirakira matianina amin'ny fitaova-pifandraisan'ny mpiara-belona fotsiny fa dia tena andraikitry ny tsirairay mihitsy. Samy voaantso hikaroka sy ny hanambara ny fahamarinana avokoa isika rehetra, ary hanao izany anatin'ny tena fitiavana. Katesizy momba ny andro manerantany ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
8 jona 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahasivy Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 28b-34)
Ny miserasera amin'ny fo dia midika hoe izy mamaky ny asa soratrika na koa mihaino antsika ao anatin'ny tontolon'ny hanio vaky jery dia tokony haneho ny fandraisantsika anjara ihany koa amin'ny hafaliana sy ny ahiahy, amin'ny fanantenana am-pijalian'ny olona amin'izao androntsika izao. Izay miteny toy izany dia tia ny hafa satria sady miahy azy no mitandro ny fahafahany. Katesizy momba ny andro manerantany ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco