Alatsinainy 18 aprily 2022 — Alatsinainy amin'ny havaloanandron'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 28, 8-15
Endrika isehoan'ny fahafahana ny fananana manokana anefa fitaovana ihany io. Tsy tokony ianao irery no hahazo tombotsoa amin'ny fanananao fa ny hafa ihany koa dia tokony hisitraka amin'izany. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
Alahady 17 aprily 2022 — Alahadin'ny Paka. Nitsanganan'ny Tompo ho velona — Efa voavono i Kristy izay Paka ho antsika ao amin’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 20, 1-9
An'ny daholo be ny harena, natokon'Andriamanitra ho an'ny rehetra. Amin'ny maha avy amin'Andriamanitra ny harena dia tsy tompony ianao fa mpitantana izay hananao. Ilaina ny fisian'ny fitsipi-pifehezana mba hahafahana miaina ny zo ary manangana tontolo ara-drariny. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco