Talata 12 aprily 2022 — Talata Masina  — Arahaba, ry Mpanjakanay, fatra-panaiky ny Ray, nentina nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana Ianao, toy ny zanak’ondry bonaika hovonoina — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 13, 21-33. 36-38

Izay malaina amin'ny asany, ho tonga mahantra, fa ny tanan'ny mazoto kosa, manangon-karena. Ny fahamarinan'ny olo-mahitsy fo mamonjy azy; fa ny olona mpivadika kosa, voafandriky ny haratsiany. Ho tratry ny fahantrana izay tia fifaliana, tsy mba mitombo harena izay tia divay aman-diloilo manitra. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

Alatsinainy 11 aprily 2022 — Alatsinainy Masina — Arahaba, ry Mpanjakanay! Ianao irery no niantra anay tamin’ny hadisoanay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 12, 1-11

Hoy Jesoa hoe : mampalahelo ianareo mpanankarena fa manana ny fahafaham-ponareo. Diso isika raha misaina toa ilay mpanankarena voalaza ao amin'ny baiboly manao hoe : ry aiko manampanana be ampy ho an'ny taona maro ianao, ka miala sasatra. Manamarina izany ny hoe : fa loza ho an'ireo mihevitra ny tenany ho mpanankarena, kanefa tsy manana an'i Kristy, fa azy ny fa azy ny fahantrana faran'izay lalina. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...