7 aprily 2024 — Alahadin'ny Famindrampon'Andriamanitra — Alahady Faharoa Fankalazana ny Paka — Nino ianao, ry Tômà, satria nahita Ahy, fa sambatra izay tsy nahita ka nino — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 20, 19-31)

Mahalala kokoa ny toetr'olona sady efa manana traik'efam-piainana ny ray aman-dreny ka manan-jo hametraka arofanina ho an-janany amin'ny fisokafana amin'ny hafa. Eglizy amin'ny endriny somary kely ny fianakaviana, manana adidy hampianatra ny finoana sy hampita fahalalana. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa. 

6 aprily 2024 — Sabotsy amin'ny Havaloan'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 16, 9-15)

Mbola kely ny ankizy dia tokony ho beazina hahay hifandray amin'ny tontolo iainana manodidina azy. Manana anjara toerana lehibe amin'izany ny sekoly.  Tsy maintsy apetraka ny soatoavina ka izay no tovozina amin'ny hafa. Manampy ny zaza hahay hiara-monina ny fifaneraserana sy ny fifampikasohana amin'ny hafa. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa. 

[Miara-dàlana] Zoma 23 mey 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...