31 mey 2024 — Ny Famangian'i Masina Maria — Fankalazana — Sambatra ianao, ry Maria Virjiny satria nino fa ho tanteraka izay nampilazain’ny Tompo taminao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 1, 39-56)
Ny tanora dia azo oharina amin'ny zava-maniry dia misy ilay antsoina hoe masaka na matoy, alohan'ny fotoanany. Olona moa no resahana dia misy ilay "miteraka mialoha ny mahazatra. Tsara ny manamarika fa tsy ny tanora rehetra no afaka miteraka fa izay efa manana toe-batana vonona sy matotra tsara. "Mariazy" ilay teny hifanoloran'izay hivady eo anatrehan'Andriamanitra sy ny Eglizy. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.
30 mey 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahavalo Mandavantaona — Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo, izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 46-52)
Ny fifanoloran-tena amin'ny alalan'ny fitiavana no fototry ny mariazy fa tsy firaisam-batana hikatsahana fahafinaretana fotsiny. Na dia ao amin'ny mariazy aza dia tsy ny fahafinaretan'ny nofo no tena zava-dehibe satria ny olona dia tsy miray fotsiny toy ny biby sanatria. Ny fitiavana no tena mitarika, fitiavana hanolotra ny tenany amin'ilay olon-tiany mba hisian' ny firaisana marina. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco