♦ Miisa 326 ny olona voatily ho mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus teto Madagasikara tao anatin'ny roa volana... ♦ Nitsidika tany Moramanga omaly ny Praiministra Ntsay Christian. Isan'ny anton-diany ny faametrahana lamina ho fanamafisana ny ady atao amin'ny Covid-19... ♦ Hitaky ny hanoloana ireo Loholona roa, lany tamin'ny anaran'ny antoko Hery Vaovaon'i Madagasikara, nametra-pialana ny vondrona parlemantera HVM...

Alarobia 20 mey 2020 — Herinandro fahenina amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 16, 12-15 — Natsangan'Andriamanitra ho velona i Kristy, Ilay nahantona tamin'ny Hazofijaliana noho isika.

♦ Olona efatra vaovao indray no voatily fa mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto amintsika... ♦ Na misy aza ny fidinan'ny vidin-tsolika eo amin'ny tsena iraisam-pirenena dia tsy maintsy ny fifanarahana eo amin'ny Kompanian-tsolika sy ny Fanjakana ihany ho ahafahana mametra ny vidiny eto Madagasikara...

♦ Tsaboina ao amin'ny hôpitaly Anosiala, ao amin'ny distrikan'Ambohidratrimo ilay olona voatily ho mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus tany Mahajanga... ♦ Namoaka didim-pitondrana ny any amin'ny faritra Amoron'i Mania fa tsy maintsy manao arotava ny mponina any... ♦ Tsy ampy iatrehana ny firongatry ny tazomoka eto amintsika ny fanafody misy hoy vondron'ireo mpivaro-panafosy matihanina...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 jolay 2025

• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...