♦ Nitombo 15 indray ny olona mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus raha ny fitiliana vita omaly tontolo... ♦ Mikasika ny fanavaozana ny lisi-pifidianana dia nisy fahasarotana ny fahazoana ireo boky fandraisana fanamarinana sy ny fanangonana ireo tantontam-baovao... ♦  Nampidirina vonjy maika tany amin'ny fonjaben'i Tsiroanomandidy tamin'ny sabotsy teo ny Ben'ny Tanana ny Kaominina Ambanivohitra Ankerana Avaratra...

♦ Mitaky firaisan-kina ny fanarenana ny toekaram-pirenena vokatr'izao valan'aretina Coronavirus izao hoy Andriamatoa Serge Zafimahova... ♦ Hentitra amin'ny fampiharana ny fepetra ara-pahasalamana hisorohana ny fiparitahan'ny valan'aretina Coronavirus ny ao Moramanga... ♦ Manamafy ny tale jeneralin'ny ATT fa mbola miato mandritra ny fotoana tsy voafetra ny zotra nasionaly sy rejionaly miainga sy miditra an'Antananarivo, Toamasina voalohany sy faharoa ary Fianarantsoa...

♦ Tsy nahitana olona vaovao mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus tamin'ireo fitiliana miisa 60 natao ny sabotsy tolakandro teo teto Antananarivo. Tranga roa vaovao kosa ho an'i Toamasina... ♦ Ho fantatra amin'ny alarobia izao ny valin'ny fanadihadiana momba ny vokatry ny fitiliana nivoaka ny alakamisy teo... ♦ Tsy hanan-kery manomboka anio amin'ny mitatao vovonana ny fahazoan-dalana mivezivezy hatramin'izay ho an'ireo mivoaka sy miditra amin'ny faritra Analamanga, Atsinanana ary Matisatra Ambony...

Alatsinainy 11 mey 2020 — Herinandro fahadimy amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 21-26 — Raha niara-nitsangana tamin'i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony, amin'izao itoeran'i Kristy eo ankavan'Andriamanitra, no katsaho.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 jolay 2025

• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...