• Nankatoavin'ny solombavambahoaka nandritry ny fivoriana hitambaramben'izy ireo omaly talata 26 novambra, ny volavolan-dalàna fankatoavana fampindramam-bola miisa 3...
  • Vehivavy 1 amin'ny 3 no hiaran'ny herisetra na efa niharan'ny herisetra nandritry ny androm-piainany teto Madagasikara, 13,7% ny vehivavy no iharan'ny herisetra ara-nofo...
  • Lehilahy 1 no tra-tehaky ny pôlisy niaraka tamina vola sandoka mitentina 168 tapitrisa Ariary nokasaina hamidiny tany Mananjary...
  • Miroso amin'ny fampitsaharana ny ady any Liban manomboka anio i Israely sy ny Hezbollah, fampitsaharana mandritra ny 60 andro araka ny fampitam-baovaon'i Elysée...

Hoy i Jesoa hoe : Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, tsy misy mankany amin'ny Ray afatsy amin'ny alalako. Manana anjara toerana manokana i Jesoa ao anatin'ny vavaka, môdely lafatra. Olon'ny vavaka i Jesoa ary porofon'izany dia mivavaka matetika Izy. Ny vavaky ny kristianina dia mifandray lalandava amin'ny Trinite Masina... Katesizy momba ny vavaka sy ny Trinite Masina, iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.

27 nôvambra 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahefatra amby telopolo Mandavantaona — Mahareta ambara-pahafaty, hoy ny Tompo, dia homeko anao ny satro-boninahitry ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 12-19)

Ny talenta dia azo trandrahina ho lasa asa fivelomana. Porofo azo tsapain-tanana ny fahaizana manao mofo "moschi", ohatra hafa koa ny asa-tanana tahaka ny ataon'i Ramatoakely Razaka Mahefa, izay mamorina haingo (pôketra, akanjo rafia...). Ny "moschi" dia mofo isan'ny mampiavaka ny Japone, ka ny tsaramaso no akora fototra amin'izy ity, misy karazany maro izy ity... Fandaharana "Zava-misy" iarahana amin'i Rasamimanana Marc.

[Miara-dàlana] Zoma 23 mey 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...