Rehefa mivavaka isika dia tahaka ny boka nositranina, tahaka an'i Bartime jamba nahazo fahiratana, Lazara izay efa maty ary nalevina tany am-pasana saingy nahazo ny fiainana vaovao avy amin'i Jesoa Kristy. Manasitrana antsika ny vavaka tahaka an'i Bartime sy ireo marary maro hafa sitrana. Ny fandinihana kristianina dia mitondra antsika amin'ny resadresaka amin'i Jesoa. Katesizy momba ny fandinihana masina, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.
Nilofo fatratra tamin'ny fiompiana kankana hamokarana zezika kankana ny fikambanana Lanja Miakatra nandritra ny 2 taona. Tsy mamihana samy irery ny voka-pikarohana ka nahitan'izy ireo tombotsoa ny mpitarika Ranaivoarison Basile na i Papa Bio. Maro ny voka-tsoa azon'ireo mpikambana amin'ny fampiasana ny zezika kankana...
Mihamafy ny andavanandrom-piainan’ny fianakaviana manoloana ny fahasahiranana isan-karazany. Toa lasa laharam-pahamehana ny fitadiavana sy fivelomana isan’andro ka mihamanjavona ny kalitaom-pifandraisana noho ny havizanana sy ny raritsaina aterak’izany. Ny fiarahana miatrika izany anefa dia mamelona fanantenana lehibe ho an’ny tsirairay ao anaty fianakaviana. Ny fahasarotana indrindra no tokony vao maika hanosika hiray hina sy hifankatia ary hifanohana... Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana Vaomieran'ny Eveka misahana ny fianakaviana ary ny ivon-toerana Arrupe.
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco