• Nihaona tamin'ny Papa François tao Vatican omaly ny Birao maharitry ny fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara. Nisy ny hafatra nampitainy ho an'ny Eglizy eto Madagasikara...
  • Mitaky ny hanatsarana ny fitazomana an'i Fernand Cello am-ponja eny Antanimora na ny aza hamontsorana eny mihitsy ny "Reporter Sans Frontière". Efitra hamonjàna jiolahy no hametrahana azy hoy ny RSF...
  • Hisy indray ny hetsika fanenjehina ireo olon-tsotra misalotra fanamiana miaramila. Hisy ny fanentanana ataon'ny Emmonat ao anatin'ny 5 andro, mialohan'ny fampiharan-dalàna...
  • Naaton'ny Hamas ny fanafahana ireo bado an'ady israelianina tavela any amin'ny faritra GAZA. Fanitsakitsahana ny fifanarahana natao izany hoy i Israel, omaly...

11 febroary — Natokan'ny Fiangonana hankalazana an'i Masina Maria niseho tany Lourdes ny 11 febroary. I Masina Maria izay nambara fa nanalefaka ny fijalian'ny olona maro teo amin'io toerana io ary nampihavana fanahy maro tamin'Andriamanitra.

Vavaka faharoa notanterin'i Md Joany (Jo 11, 41-42) ny talohan'ny fananganana an'i Lazara ho velona ; mialoha ny zava-niseho ny fisaorana : "Misaotra Anao Aho, Raiko satria efa nihaino Ahy Ianao", izay midika hoe mihaino lalandava ny fangatahany ny Ray. Nampian'i Jesoa teo no eo hoe : Raha Izaho dia fantatro fa mihaino Ahy mandrakariva Ianao... Katesizy momba ny vavaka fototry ny fifandraisan'i Jesoa tamin'ireo mpianany, iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.

11 febroary 2025 — Talata, Herinandro Tsotra fahadimy Mandavantaona— Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 1-13)

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...