• Mihena hatrany ny herin'ilay rivodoza Chido. Tany amin'ny 135 km avaratra atsinananan'Antsiranana Voalohany no nisy ny foibeny tamin'ny 11 ora antoandro teo...
  • Samy mihiaka fandresena avokoa ny kandidàn'ny IRMAR sy ny kandidàn'ny TIM ao Antananarivo Renivohitra, eo am-piandrasana ny vokatry ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina farany teo...
  • Voamarina ny fisian'ny haromotana any amin'ny Faritan'i Toamasina, tao aorian'ny fitiliana natao teny amin'ny Institut Pasteur de Madagascar...

Araka ny fifampizarana dia hita fa miatrika fanamby maro ny fianakaviana manoloana ny zava-misy ankehitriny, fa indrindra eo amin’ny lafiny fanabeazana sy fifandraisana ao an-tokantrano. Noho izay antony izay dia ilaina : ny fahaizana manamafy ny fanabeazana ao an- tokantrano, ny fandraisana andraikitry ny tsirairay araka ny manandrify azy ary ny finiavana ho amin’ny tsaratsara kokoa hatrany ho an’ny ankohonana, ny fiangonana ary ny firenena.... Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe.

  • Nihena ny herin'ilay rivodoza Chido tao anatin'ny adiny enina farany. Na izany aza mbola sokajiana ho rivodoza mahery vaika hatrany izy. Tany amin'ny 251 km avaratra atsinananan'Antsiranana Voalohany no nisy ny foibeny tamin'ny telo ora maraina teo...
  • Milaza ny tsy hanaiky lembenana intsony antoko TIM, tao aorian'ny fifidianana teo. Nanjakan'ny barofo ny fifidianana, hoy Andriamatoa Ravalomanana Marc...
  • Avo roa heny ny vola nampidirin'ny asa tanana ao anatin'ny kitapom-bolam-panjakna tato anatin'ny efa-taona. Azo andikana ny lanjan'ny asa tanana malagasy izany, hoy ny Minisitera mpiahy...

Ny Sorona Eokaristika ankalazaintsika no firaisantsika fara-tampony amin'ny Fanompoam-pivavahan'ny Fiangonana any an-danitra. Eo isika no entanin'ny firaisana am-panahy ka velom-panajàna mahatsiaro an'i Maria be voninahitra, Virijiny mandrakizay, ary koa i Masindahy Josefa sy ireo Apôstôly sy martiry ary ny Olomasina rehetra... Katesizy momba ny miara-mivavaka amin'ireo Olomasina, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 1 septambra 2025

Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...